MOFON’AINA TALATA 21 SEPTAMBRA 2021

13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?14 Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
1 KORINTIANA 1 :13-17

NY TENA IRAK’I KRISTY

1-Mampahafantatra ny fahamarinana

Nisy fizarazarana teo anivon’ny fiangonana tao Korinto, nanjaka ny fifampiandaniana. Teraka ny fitsitokotokoana nijery olona ny vahoaka fa tsy nibanjina an’i Kristy. Izany no nahatonga an’i Paoly nilaza fa  » voazarazara va Kristy ? Paoly va no voahombo tamin’ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ny anaran’iPaoly no nanaovam-batisa anareo » (and 13). Te- hitondra fandaminana i Paoly manoloana izany toe-javatra izany. Tiany ho fantatry ny olona fa tsy izy no voahombo teo amin’ny hazo fijaliana sady tsy ho amin’ny anarany no hanaovana ny batisa fa amin’ny anaran’i Kristy irery ihany. Ankehitriny, maro ireo mpisandoka izay milaza fa izy no Kristy, lasa mikorontan-tsaina ny olona ary mitarika azy handeha amin’ny làlan-diso. Sarihan’i Paoly ny saintsika mba tsy hijery olona, izay mpanompo ihany, fa hibanjina an’i Kristy ary hampahafantatra izany amin’ny hafa.

2-Manome lanja ny anajara asa fanompoany

Maro ny olona niova fo izay nataon’i Paoly batisa, tamin’ny Anaran’i Kristy . Hamafisiny eo amin’ny and 17 ny iraka izay nampanaovina azy. Ary izany no nahatonga azy nilaza hoe : « zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany  » (1 Kor 12.5). Fantany tsara ny zara fanompoana nomen’ Andriamanitra azy. Ary hamafisiny eto fa « …tsy tamin’ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’iKristy ». Tamin’ny fanetrentena no nanaovan’i Paoly ny asany fa tsy tamin’ny fahaizana amam-pahalalany. Ny hazo fijalian’iKristy no fototry ny hafatra izay ambarany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.