MOFON’AINA ALAROBIA 24 OKTOBRA 2018

1 Izao no lazain’ i Jehovah: Midina any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:2 Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:3 Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.4 Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.5 Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
JEREMIA 22 : 1-5

NY FANANARANA MAFY OMENA NY OLONA

1- Mba hialany amin’ny fampahoriana ny hafa

Maha saropiaro an’Andriamanilra ny olony tsirairay izay eo anatrehany, indrindra ny mino Azy. Anariny mafy tokoa ny mpanjaka mpampahory ny vahoakany dieny mbola misy fotoana hibebahana ka hanarenany ifotony ny fitondrana. Manoro ny làlana tsara tokony hitarihana ny vahoaka ny Tompo ary milaza ny mety ho vokatry ny fifikirana amin’ny ratsy. Izay mandray izany fananarana izany no mpankato an’Andriamanitra satria mahay mifidy ny tsara araka ny voasoratra hoe : « Sambatra ny firenena izay manana ny Tompo ho Andriamaniny ».

2- Mba hananany fiainana mendrika

Manaporofo ny fananana finoana ny fanekena ny Teny omen’Andriamanitra. Jesoa Kristy raha nampianatra dia feno fananarana ny Teniny mba hitandremana ny didin’ Andriamanitra eo amin’nv fiainana isan’andro. Manana fiainana mendrika tahaka ny hitohizan’ny fanjakana avy amin’Andriamanitra tao amin’ny Israely raha mankato sy mihaino ny Teniny. Isika koa dia ampirisihina ho mpihaino mankato mba tsy hamitaka ny tenantsika. Mazava ny didin’Andriamanitra, dia ny tsy hanisiana fampahoriana ny hafa.

Fanontaniana :

Ahoana no hamantarana ny olona mandray fananarana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.