Mofon’aina – Alatsinainy 02 janoary 2017

9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’ izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.12 Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin’ ny razanao;13 dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.14 Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na hianareo na ny biby fiompinareo.15 Ary harovan’ i Jehovah tsy ho azon’ aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin’ i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin’ izay rehetra mankahala anao kosa ireny.16 Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny
DEOT.7 :9-16

NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA NY OLOM-BOAFIDINY.

1 .Mahatsiaro ny teny nataony Andriamanitra(and.8) :

Fianianana sy fanekena no iantsoana izany.Teny nataon’Andriamanitra tamin’ny fifidianany an’i Abrahama ny hitahiana hatrany koa ny taranany sy ny taranaky ny taranany amin’ny lafim-piainany rehetra(fahasalamana,fambolena ,fiompiana).Ianao koa raha mino an’i Jesoa dia antsoiny hoe olom-boafidiny (Jao.15 :16 ;Efes 1 :4)ary tsaroan’Andriamanitra ny teny nataony tao amin’i Jesoa io fa tsy hohadinoiny akory ka hitondrany ny fiainanao ho amin’ny fiainana be dia be amin’izao hoavy izao(Jao .10 :10)

2.Tsy manan-tombo noho ny olona rehetra akory ny voafidy (and.7,8):

Mety ho latsa-danja noho ny hafa aza izy(Deot .26 :5) . Koa am-pitandremana sao hirehareha na hiavona hihevi-tena ho manana hatsarana noho ny hafa,no nahatonga an’Andriamanitra hisafidy azy .Tsy hafa noho izany koa no ambara amin’ny olom-boafidy ao amin’i Kristy(1Kor .1 :26,27).Tena fahasoavana ny fifidianana sy famonjena ny olona ao amin’i Jesoa(Efes.2 :8,9).

3.Toro-marika ho an’ny olom-boafidy (and.9,11,12):

Ny fifidianan’Andriamanitra dia narahiny toro-marika hampandaitra ny Teny Fikasany dia ny mihaino,ny mitandrina ny didiny sy ny fitsipiny ary ny ho tia Azy.Toy ny Zanak’Isiraely handeha handova ny tany nampanantenain’Andriamanitra isika ety am-piandohan’ny taona,koa hafarany hihaino Azy,izany hoe hiteny aminao Izy mandavan’ny taona. Asaina koa ianao hanaraka izay efa nambarany tamin’ny lasa,hitanao ao amin’ny Soratra Masina,fa raha hanao izany ianao dia tsarovy fa »Andriamanitra dia mahatoky,mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy » (and.9) fa hataony firenena masina rakitra soa ho Azy, ary hotahiany mihoatra noho ny firenena rehetra (and.14) ianao.

Fanontaniana :

Mahatsiaro ho olom-boafidin’i Jesoa ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen