Mofon’aina – ALATSINAINY 03 JOLAY 2017

13 Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesoa Kristy;14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo;15 fa araka ny fahamasinan’ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ ny fitondran-tena rehetra,16 satria voasoratra hoe: « Ho masina ianareo, satria masina Aho ».
1 PETERA 1 :13-16

HAFATRA HO ANTSIKA IZAY MANAIKY HO VAVOLOMBELON’NY TOMPO

Ny kristiana dia iraka, hijoro ho vavolombelon’ny Tompo amin’izay alehany no hanirahana azy. Noho izany :

1-Aoka ho vonona (and 13)

Ny teny hoe: « sikino ny sainareo  » dia fanentanana mba ho vonona hanao ny zavatra rehetra ilaina hanatanteraka ny maha- kristiana amin’ny fiatrehana ny fitsapana maro, na fahoriana izany na fakampanahy na fizahantoetra mahamay na fanenjehana … Ireny rehetra ireny no hanehoana fahavononana ka ijoroana ho vavolombelon’ny Tompo.

2-Aoka hahonon-tena 

Ny kristiana dia olona mahafehy ny tenany : tsy olona mpanaram-po amin’ny fahamamoana. Ny olona mamo dia tsy tompon’ny tenany intsony fa baikon’izay zavatra nahamamo azy hanao fanaranam-po sy filan-dratsy . Anarina ny mpino mba tsy ho mamon’ny zavatra momba izao fiainana izao, tsy hitondra tena araka ny filàna fahiny (and 14).

3-Aoka hanana fanantenana (and 13)

Aoka tsy ho mora kivy, tsy mora reraka, na inona na inona mihatra.  « Antenao tsara » na  « aoreno tsara » ny fanantenana ny fanomezan-tsoa na valisoa omen’i Jesoa Kristy amin’ny fisehoany. Ny olona manana fanantenana toy izany no sahy mijoro ho vavolombelon’ny Tompo.

4-Aoka ho masina (and 15,16)

Tsy maintsy ho madio fitondrantena ny kristiana eo anatrehan’ Andriamanitra izay niantso sy naniraka azy, ary koa eo anatrehan’ny olona izay mbola tsy mino. Ny fitondrantenan’ny kristiana no toy ny boky vakin’ny manodidina tsy mino ka manova toetra azy ;

Fanontaniana:

Inona no tsy ahafahan’ny olona mijoro ho vavolombelon’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !