Mofon’aina – Alatsinainy 06 martsa 2017

17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.18 Ary nandao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.20 Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
2 TANTARA 24 :17-20

AZA MIFANDRAY AMIN’NY MPANAO RATSY

1-Mahaiza  mandinika  ny zava-misy

I Joiada  dia mpisorona nitarika an’i Joasy mpanjakan’i Joda ho amin’ny fankatoavana  an’ Andriamanitra. Rehefa maty  anefa i Joiada dia nanolo-tsaina  sy nampivily làlana an’i Joasy mpanjaka  ireo mpanapaka  tao amin’ny fanjakany. Niala tamin’ny fanarahana  ny sitrapon’ Andriamanitra izy. Nandao  ny fanompoana  an’ Andriamanitra  ny mpanjaka. Niroso lalina tamin’ny fanompoana ny sampy . Noho izany  dia tezitra ka hanafay  ny olony Andriamanitra . Mitarika antsika  izany fa mahaiza  mandinika ny zava-misy. Tandremo  ny tolo-tsaina  avy amin’ilay ratsy  mitaona  anao handao  ny fanompoana an’ Andriamanitra.

2-Mahaiza  mihaino fananarana

Naniraka  ny mpanompony  hananatra sy hamerina  an’i Joasy ho amin’ny fanompoana  Azy indray Andriamanitra. Fitiavana  Izy   ka tsy tiany  handeha  ho amin’ny làlam-pahaverezana  ny olony. Nanao antso avo teo anatrehan’ny vahoaka  ny irak’ Andriamanitra . Ny zava-misy  anefa  tsy  nety   nihaino  izany ny mpanjaka fa nitady ny fomba  hamonoana ilay irak’ Andriamanitra. Tafalatsaka lalina tao anatin’ny faharatsiana izy  ka tsy  nety  nandray fananarana. Nahafoy  an’ Andriamanitra  izy ireo. Noho izany   tsy misy fiainam-pitahiana ho azy. Raiso ho fananarana sy ho fanitsiana  ny toetranao  ny Tenin’ Andriamanitra tafapaka eo aminao.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no ahafahanao  manavaka fa mahasoa na tsy mahasoa  ny tolokevitra omen’ny olona anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !