MOFON’AINA ALATSINAINY 07 JANOARY 2019

1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra, na amin’ ny nofo, na amin’ ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra.2 Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin’ ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona.3 Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika.4 Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin’ ny fahorianay rehetra.
II KORINTIANA 7 : 1-4

AOKA ISIKA HO MASINA AMIN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA

1 – Mibebaha

« Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana » (and 1). Tsy manadio tena hantsarana tena eo anatrehan’ny Tompo akory izany. Miseho amin’ny endrika roa ny manadio tena, araka ny hevitra eto : mampitsahatra ny ota ary mandao ny faharatsiana izay fanaon’ny jentilisa andaniny ; ary etsy ankilany kosa dia mitodika sy miverina amin’Andriamanitra. Iroe no atao hoe mibebaka. Tsy feno ny hevitry ny fibebahana raha tsy tanteraka ireo lafiny roa ireo. Koa mibebaha, fa izany no fiainam-pahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

2 – Mifandraisa tsara amin’ny namana

Ratsiratsy fifandraisana tamin’ny apostoly Paoly ny mpino sasany tao amin’ny fiangonaa tao Korinto. Io no mahatonga azy hanoratra oe : « Ataovy omby anay ny fonareo » (and 2). Manazava ny tsy tokony hankahalana azy, na ny tsy hitiavana azy i Paoly. Raha tsy mifankahazo, na mifanao andolompo ny olona dia tsy miaina amin’ny fitiavana, hany ka tsy azo lazaina ho miaina amin’ny fahamarinana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra ihany koa. Omeo toerana ny fitiavana, fa izany no manarona fahotana maro, ka mandrindra izay disadisa mampisaraka. Izany no fahamasinaa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Fanontaniana :

Moa azonao amin’izay ve ny hevitry ny hoe : « Diovy ny tenanareo ry mpanota »( Jak 4 : 8) ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !