MOFON’AINA ALATSINAINY 20 APRILY 2020

24 Fa Tomasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. 25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho. 26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesoa, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27 Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro! 29 Hoy Jesoa taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
JAONA 20 : 24-29

NY FOMBA HAHATONGAVANA AMIN’NY FINOANA

Fisehoan’i Jesoa fanindroany tamin’ny Apostoly ity mofonaina ity. Fisehoana izay nikendry zavatra manokana rehefa tena dinihina. Fisehoana izay ho enti-mandresy lahatra manokana an’i Tomasy izay tsy nahita an’i Jesoa tamin’ny fisehoana voalohany. Fisehoana izay niafara tamin’ny fanaovan’i Tomasy fanekem-pinoana lehibe, izay tonga fanekem-pinoantsika koa. Ireto no dingana ahatongavana amin’ny finoana arak’izao tantara izao

  1. Mino ny fanambaran’ny namana (and 25)

« Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho »

Tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany dia tsy mba teo Tomasy. Tsy misy filazana moa ny antony tsy naha-teo azy. Koa satria tsy teo izy dia tsy mba anisan’izay nahita ny fahaveloman’i Jesoa. Na dia tsy nahita aza anefa izy dia nanana ireto namana, ireo Apostoly namany nilaza izany fahaveloman’i Jesoa izany. Kanefa araka ny tantara eto dia nilaza izy fa tsy hino izy raha tsy hitany Jesoa, ary hapetrany eo amin’ny holatry ny tànan’i Jesoa ny tànany. Asehon’ny tantara fa finoana miankina amin’ny fahitana ny an’i Tomasy. Finoana mbola miankina tanteraka amin’izay tsapan’ny fandrenesana dimy (eto maso sy tsapa). Anisan’izay hahatongavana amin’ny finoana an’i Jesoa ny finoana sy fanekena izay fanambaran’izay nahita marina Azy.

Ny tantara dia milaza amintsika fa misy karazan’olona toa an’i Tomasy. Miankina be dia be amin’izay zavatra tsapany sy hitany ny finoany. Noho ny amin’ireo olona ireo no nahatonga an’Andriamanitra nanaiky ny hisian’ny sakramenta, ilay fahasoavan’Andriamanitra tsy hita maso kanefa aseho amin’ny fomba hita maso hahatonga finoana ao amin’ny olona. Ny sakramenta tokoa mantsy dia tohana hita maso manatanjaka sy mampiorina ny finoantsika.

  1. Mino noho ny fihaonana amin’i Jesoa (and 28)

« Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro »

Rehefa niseho fanindroany Jesoa dia niresaka nivantana tamin’i Tomasy. Niantso an’i Tomasy Izy hanatona Azy ka nanao hoe : « Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa ». Taorian’izany dia niteny mazava Jesoa fa noho Petera nahita an’i Jesoa no nahatonga azy hino fa velona marina Jesoa. Anisan’ny dingana hahatongavana amin’ny finoana arak’izao ny fihaonana amin’i Jesoa, ny fifandraisana mivantana Aminy.

Ny olana teo amin’ny Apostoly nahatonga azy rehetra tsy nino ny fitsanganan’i Jesoa anie dia noho izy ireo nanadino izay nambaran’i Jesoa tany aloha. Noho izy ireo ihany koa tsy nahay Soratra Masina, na nanadino izay nambaran’ny Soratra Masina. Izany no nahatonga an’i Jesoa ao amin’ny Filazantsara hafa namerina azy ireo tamin’ny Soratra Masina. Eto kosa anefa fomba iray ahatongavan’ny olona amin’ny finoana koa ny fihaonana mivantana, fifandraisana velona amin’i Jesoa. Adidy sy asan’ny fiangonana, andraikitry ny fiangonana arak’izao ny manao izay ahatonga ny olona rehetra ho tafahaona amin’i Jesoa mba hinoany Azy. Rehefa tonga amin’ny fifandraisana velona amin’i Jesoa ny olona dia ho tonga amin’ny finoana ihany koa izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.