MOFON’AINA ALATSINAINY 20 SEPTAMBRA 2021

4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany.9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin’ ny odiny.12 Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesoa Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.14 Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy.15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesoa Tompo ihany izy.17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
ASAN’NY APOSTOLY 8 : 4-17

1-Tsy maintsy toriana ny Filazantsara

Voalaza hoe: « niely » ny mpitory ny Filazantsara noho ny fanenjehana satria nihamafy tokoa ny fanenjehana ny mpivavaka taorian’ny namonoana an’i Stefana. Na dia izany aza , tsy nahafoana ny hafanampo sy ny fijoroana vavolombelona tamin’ny mpitory ny Filazantsara izany , satria tsy maintsy toriana izany araka ny iraka nampanaovin’i Jesoa azy ireo hampiely izany na inona na inona hitranga ary koa efa nanome hery ireto irany mba hahavitany izany rahateo Izy (jereo Asa 1 :8)

2-Mahery noho ny fahefana hafa ny herin’Andriamanitra

Aseho misesy eto ny hery roa samy hafa izay miasa eo amin’ny fiaraha-monina . Marihana anefa fa misy hatrany ny tena mahery indrindra izay tokony ekena sy ankatoavina marina. Andaniny , izao doa misy an’i Simona mpanao ody izay nampitolagaga ny olona maro tamin’ny alalan’ny odiny , kanefa aseho mihariharyeto koa fa mahery sy manam-pahefana lavitra noho izany ny Tompo izay maniraka ny olony tamin’ny alalan’iFilipo eto izay naharesy lahatra ny olona ka nahatonga ny olona nanaoky natao batisa. Ny mahavariana dia na i Simona aza rehefa nahare sy nahita izay nataon’i Filipo, dia resy lahatra tamin’ny hery nananany koa ka nanaiky nataony batisa sy nanaraka azy.Milaza izany fa na dia misy aza ny ataon’ny hery ratsy dia tsy maharesy ny herin’ny Tompo velively izany ka tokony hampieritreritra antsika koa.Ambonin’izany dia aseho eto fa miaraka hatrany ny fanaovana batisa ny olona mandray izany sy ny fanomezan’ny Tompo ny Fanahy Masina .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.