Mofon’aina – ALATSINAINY 22 MAY 2017

17 Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’ Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ ny fahitana sy ny nofy rehetra.18 Ary nony tonga ny andro nasain’ ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’ i Nebokadnezara izy.19 Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.20 Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.21 Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy mpanjaka.
DANIELA 1 :17-21

NY FAHENDRENA NOMEN’ ANDRIAMANITRA

Efa  nambaran’ny Soratra  Masina fa  fanomezana avy amin’ Andriamanitra  ny fahendrena ary nampalaza an’i Daniela sy ireo namany telo lahy izany.

1-Hahazoana  toerana akaikin’ny mpanjaka 

« tsy  nisy  hita izay tahaka  an’i Daniela  sy Hanania   sy Misaela  ary Azaria tamin’izy rehetra , ka dia  nitoetra  teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo »(and 19). Maneho  izany  fa rehefa  miara-mandeha  amin’ Andriamanitra  ka mahazo  tombom-pahasoavana tokoa  ary miavaka  amin’izay atao. Ny fiainam-bavaka  nananan’i Daniela  sy ny namany no mendrika  halain-tahaka rehefa mamaky  ny Boky Daniela isika. Hampanakaiky antsika amin’ Andriamanitra mpanjaka, dia i Jesoa Kristy ny fivavahantsika Aminy.

2-Hampiavaka  eo anivon’izao tontolo izao

« ary  ny amin’ny fahendrena … dia hitany  fa nanatombo impolo  heny noho ny ombiasy rehetra aza izy  » (and 20). Mbola  maro  ankehitriny  ny matoky ireo voalaza farany  ireo  izay  tarihin’izao teny izao mba hahalala fa ny olona nomen’ Andriamanitra fahendrena dia manan-javatra mihoatra noho ireny. Aoka  hialantsika ny matoky olona  fa fahatokiana an’ Andriamanitra  no hizorantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !