MOFON’AINA TALATA 05 MAY 2020

11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. 12 Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy izahay. 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’olona. 16 Fa « iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy? » (Isaia 40:13) . Fa izahay manana ny sain’i Kristy.
1. KORINTIANA 2 : 11-16

KRISTIANINA MANANA NY SAIN’I KRISTY

Anisan’ny olana novahan’i Paoly tao amin’ny fiangonana tao Korinto ny olan’ny fizarazarana. Samy nanana izay Apostoly narahiny mantsy ireo Korintianina. Niteraka fizarazarana sy fitsitokotokoana izany teo amin’ny fiangonana ka nahatonga ny Apostoly voatery tsy maintsy nanoratra. Ambaran’i Paoly mazava tsara fa tsy manam-pahendrena izy ireo. Teo anatrehan’izany no nilazan’i Paoly fa manana ny sain’i Kristy izy. Ny manana ny sain’i Kristy dia

  1. Manaiky hampianarin’ny Fanahy Masina (and 13)

« Izany koa no lazainay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy izahay »

Ambaran’ny Apostoly tsara eto amin’izao andininy izao fa mpampianatra ny Fanahy Masina. Izay mianatra avy amin’ny fahendren’izao tontolo izao dia tena hanam-pahalalana tokoa fa tsy hanam-pahendrena. Fa izay manaiky hampianarin’ny Fanahin’ny Tompo no sady hanam-pahalalana no hanam-pahendrena. Ka ilay fahalalana dia hiteraka fahendrena. Anisan’ny olana teo amin’ny Korintianina dia izy manam-pahalalana, ary izany fahalalana izany dia niteraka fisaratsarahana, niteraka fitsitokotokoana fa tsy nampiombona. Fahendrena be ara-pilôzôfia fotsiny mantsy.

Izay manaiky hampianarin’ny Fanahy Masina arak’izao dia sady hanam-pahalalana no hanam-pahendrena. Ary ilay fahalalana izay ampiasaina am-pahendrena dia hitera-bokatsoa eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Ny hoe mahalala sy hendry mantsy ho antsika Malagasy no tena olom-banona. Ary olona toa izany no tena ilain’ny fiangonana sy ilain’ny firenena. Be dia be ny olona manam-pahendrena fa tsy ampy fahalalana, dia toy ny olona bado ihany izany. be dia be koa ny olona manam-pahalalana nefa tsy hendry, hany ka mampiasa ny fahalalany amin’ny karazan’adalana maro samihafa, ary tena manimba na ny fiangonana na ny fiarahamonina na ny firenena.

  1. Manaiky hampianarin’ny Fanahy Masina ny momba an’Andriamanitra (and 11,12)

Zavatra roa mazava tsara no ambaran’i Paoly fa hampianarin’ny Fanahy Masina eto

a- Ny ao am-pon’Andriamanitra (and 11)

« Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany »

Ny fo dia ho enti-manambara zavatra roa

– Ny fihetseham-po: tonga mahalala izay mahafaly sy mahatezitra an’Andriamanitra izay manaiky hianatra amin’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina ihany no tena mampahafantatra izany. Na iza na iza arak’izao te hahalala izay ao am-po lalin’ny Tompo dia mila manaiky hianatra amin’ny Fanahy Masina.

– Ny fitiavana: tonga mahalala ny fitiavan’Andrimanitra izay mianatra amin’ny Fanahy Masina. Tonga mahafantatra fa fitiavana ny Tompo. Tonga mahafantatra ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao. Tsy mahagaga raha nisara-bazana ny kristianina tao Korinto satria tsy nety nianatra tamin’ny Fanahy Masina.

Adidintsika kristianina ankehitriny ny manaiky hianatra amin’i Kristy. Satria rehefa ny Fanahin’ny Tompo no mampianatra antsika dia tonga mahalala ny ao am-pony isika.

b- Izay nomen’Andriamanitra (and 12)

« Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika »

Mba hahatonga antsika hahalala izay nomen’Andriamanitra hoy Paoly dia mila mandray ny Fanahin’Andriamanitra.Mila mianatra amin’ny Fanahin’Andriamanitra.Ny Fanahin’Andriamanitra ihany no mampahafantatra antsika izay nomen’Andriamanitra antsika. Ilay nomen’Andriamanitra moa dia

– Tsy Iza fa Jesoa Kristy: tsy ho tonga amin’ny fahatakarana mihitsy isika mino hoe Jesoa anie no fototry ny fanomezana tsara indrindra nomen’Andriamanitra antsika raha tsy ny Fanahy Masina no mampianatra izany. Tsy takatry sain’ny Korintianina izany noho izy ireo nilona loatra tao amin’ny filôzôfia samihafa. Ka noheverin’izy ireo fa ry Apolosy na ry Kefasy na ry Paoly no tena zava-dehibe fa tsy Kristy. Hany ka mora teraka ny fivakisan’ny fiangonana.

– Tsy inona fa ny fahasoavany: tsy ny fahasoavan’Andriamanitra tao amin’i Kristy sy ireo fitahiam-panahy avy Aminy no nahamaika ny Korintianina fa ireo mpampianatra. Satria efa voazarazara izy ireo, dia tsy ilay maha-fiangonana tokana ao amin’i Kristy sy ny harem-pahasoavana azo avy amin’izany no nahamaika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.