MOFON’AINA TALATA 30 OKTOBRA 2018

1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.2 Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.3 Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.4 Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.6 Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
OHABOLANA 15 : 1- 8

IZAY TENY AHAZOANA SITRAKA AMIN’NY TOMPO

1 –  Mamaly mora

Fanesorana afon’ny fahatezerana ny famaliana mora, izany hoe, miravona sahady amin’ny ampahany betsaka ny ady raha miezaka tsy mitabataba sy miteny mafy. Manambara ny fahendrena nomen’Andriamanitra ny mino izany ka azo iainana sy ampiharina eo amin’ny fiainana tsara. Feno fananarana ny bokin’ny ohabolana fa izay iraisan’ireo dia ny hahatonga ny mino handray ny hery sy fahendren’Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, izay na nokapohina sy noratraina ary nohombohana tamin’ny hazo fijaliana aza dia tsy namaly : « tsy niloa-bava »

2- Malemy

« Hazon’aina » no ilazana izany eto, izany hoe mitondra fahavelomana, mampiombona amin’Ilay Tompon’ny aina. Maneho an’i Jesoa Kristy feno fìadanana ka tsy mba nitondra soavaly raha niakatra tany Jerosalema fa zana-boriky tanora no mba nentiny ho fanehoany ny maha Mpanjakan’ny fiadanana Azy. Mananatra ny maniratsira sy ny tsy mino mba hitodihan’ireo amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra kosa. Mamelona finoana ao amin’izay mila ho kivy sy reraka eo amin’izao fiainana izao. Ny vavaka ataontsika no mahatanteraka ireo teny hahazoana sitraka ireo. Ampy ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny nandraisantsika ny famonjeny.

Fanontaniana:
Nahoana no miteny mora sy miteny malemy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!