Mofon’aina – ZOMA 09 JONA 2017

9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo ho vavolombelona aminy.10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny Filazantsara aloha.11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’ izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
MARKA 13 :9-11

MPIANATRY NY TOMPO

Marka 13 dia maneho  ny dinidinika  nataon’i Jesoa Kristy  tamin’ny mpianatra  teo  amin’ny tendrombohitra  oliva niaraka tamin’ny mpianatra Izy. Azo   lazaina  fa valiteny   manoloana  ny  fanontaniana nataon’ireo  mpianatra  efatra mirahalahy. Manomana  azy ireo  ny  amin’ny toe-javatra  tsy maintsy hitranga  noho izany  ny Tompo .

1-Vavolombelon’i Jesoa Kristy  

Miasa, manao  ny asan’ny Tompo  eto anivon’izao tontolo izao   ny Tompo. Efa nanolotra ny fiainana ho azy izy ireo  ka nandao  ny fiainan’izao tontolo izao . Mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny fiainany manontolo  ka mitory  ny Filazantsara  amin’ny olona rehetra. Mitaona  anao araka izany   mba hijoro   ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Andraikitra  manokana  apetraky ny Tompo  ny asa fitoriana ny Filazantsara.

2-Manana ny Fanahy Masina  ho  mpanolotsaina 

Rehafa  tena manao ny asan’ny Tompo isika  dia tsy faly ilay ratsy. Misy ireo sokajin’olona  tsy mankasitraka  ny asa fitoriana ny Filazantsara. Te -hamatotra  ny fiainan’ny olona  hatrany  i satana. Noho  izany   , tonga ny fanenjehana sy ny fankahalana ny mpianatry  ny Tompo. Aza  kivy anefa fa mijoroa  hatrany   satria mampanantena  eto ny Tompo fa ny Fanahy Masina  izay efa  nomeny ny mino  Azy  no mampiteny , mampijoro manoloana  ny fotoana sarotra rehetra . Ny Fanahy Masina  no hery  mampiteny  ny mpino.

Fanontaniana:

Manana  fahasahiana  hijoro ho  vavolombelon’i Jesoa Kristy  eo anoloan’ny manampahefana ve ianao ? Fomba ahoana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !