Mofon’aina – ZOMA 11 AOGOSITRA 2017

8 Tsarovy Jesoa Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako,9 izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay.11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
2 TIMOTY 2 :8-13

I Jesoa Kristy  nitsangana  tamin’ny  maty   no vontoatin’ny Filazantsara. Io  no fahamarinana fototra  ho  an’ny  finoana kristiana satria raha tsy natsangana i  Kristy  dia foana  ny  finoana sy  ny  toriteny .

Ny Filazantsaran’ny  fitsanganana amin’ny  maty

1-no hahazakana fahoriana 

Mamerina  antsika  amin’ilay  andro tokana  niaretan’i Jesoa Kristy  ny kapoka, ny latsa, eso, hazo fijaliana ary fahafatesana. Tao Aminy no nianaran’i Paoly ka tonga mpiombona fahoriana amin’i Kristy izy. Tsy nitsangana tamin’ny maty mihitsy i Kristy raha tsy  niaritra ny fahafatesana aloha. Ny Filazantsara  no mampianatra  antsika  hanahaka  an’i Kristy. Izy  no efa  nitondra fahoriana mihoatra antsika.

2-no miantoka ny famonjena 

Andriamanitra  mahatoky  i Jesoa Kristy ka tsy  mahazo  mandà ny  tenany   momba ny  famonjena . Famonjena no antony nahafatesany ary porofon’izany  ny  nitsanganany tamin’ny maty. Tsy  nohazonin’ny fahafatesana  Izy  satria Andriamanitra mandresy. Mizara  izany fandresena izany ho an’ny mino  mahatoky  ihany  koa Izy. Izay  nizaka ny fahoriana toa Azy, dia  ampanantenainy  famonjena  ka hiara-belona Aminy  koa.

Fanontaniana:

Mety ve raha manao  vy very  ny aina (kamikaze) ho  an’ny  Tompo ny mino ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !