Mofon’aina – ZOMA 17 AOGOSITRA 2018

17 Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra.18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah”.20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.21 Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.
ROMANA 12 : 17-21

MANOLOANA NY RATSY ATAON’NY HAFA AMINTSIKA

 Ny herisetra dia  endrika iray isehoan’ny ratsy ataon’ny olona . Tsara marihana fa ny herisetra dia tsy ny fampiasana heri-tsandry ihany, fa ao koa ny fampiasana ny herisetran’ny vava izay tena mamono olona tokoa, manapotika sy mandrava fiainan’olona sy ny maha olona manontolo. Toro-marika maromaro no omen’ny Tompo antsika eto ho fanehoana eo anivon’ny fiaraha-monina fa tena mpino kristiana marina tokoa isika.  Azo atao ny miaina ireo mba ho fisorohana ny herisetra.

1 – Aza mamaly ratsy ny ratsy (and 17,19)

Na mikendry ny hanisy ratsy antsika aza ny hafa. Ho fisorohana ny herisetra sy tsy hahatafalatsaka antsika amin’ny fanaovana izany dia aoka hiomana hanao izay mahamendrika mandrakariva isika ka tsy hamaly ny ratsy ny ratsy. Ny Tompo hiady ho antsika fa isika kosa hangina (Deo 32 :35). Ho fisorohana izany indrindra dia ny fanehoam-pitiavana izay mikasa hanao herisetra na manao herisetra amintsika no takian’ny Tompo amintsika (and 20-21). Hoy indrindra ny Tompo : « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo »(Mat.5 :44)

2 – Mihavàna amin’ny olona rehetra (and 18)

Ny fifandrafiana sy ny adilahy no anisan’ny miteraka herisetra be indrindra. Izay misoroka ny tsy hisian’ny fifandrafiana sy ny ady no misoroka ny tsy hisian’ny herisetra. Taomin’ny Tompo isika mpino mba hihavana amin’ny olona rehetra, araka izay azo atao, sy hampanjaka ny fihavanana eo amin’ny sehatra rehetra misy antsika. Ny hampanjaka ny fiadanana izay midika ho filaminana no antom-pahatongavan’i Jesoa ho olona teto amin’izao tontolo izao. Ka aoka samy hangataka fahendrena amin’ Andriamanitra isika tsy hamono ny mpiara-belona amintsika, na amin’ny sandry na amin’ny vava (Ohabolana 18 :21)

Fanontaniana :

Efa mba nanao soa izay nanisy ratsy anao ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !